2 Corinthians 8

1Tianay ho fantatrareo, ry rahalahy, ny momban’ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena tao amin’ireo fiangonan’i Makedonia. 2Nandritran’ny fitsapana lehibe amin’ny fahoriana, ny fitobaky ny hafaliany sy ny fara-fahantran’izy ireo dia niteraka haren-dehiben’ny falalan-tanana.

3Satria mijoro vavolombelona aho fa nanao be arak’izay vitany izy ireo, ary mihoatra an’izay vitany aza. Ary tamin’ny sitrapon’izy ireo manokana 4sy niaraka tamin’ny fitalahoana mafy no nangatahan’izy ireo taminay ny fahafahana mba hanana anjara amin’ity asa fanompoana eo amin’ireo mpino ity. 5Tsy niseho arak’izay nantenainay izany. Fa kosa, nanolotra ny tenany mialoha tamin’Andriamanitra izy ireo. Ary nanolo-tena ho anay izy ireo tamin’ny sitrapon’Andriamanitra.

6Ka namporisika an’i Titosy izahay, izay efa nanomboka an’izany asa izany, mba hanantanteraka ny fahasoavana eo aminareo. 7Fa ianareo kosa dia manan-karena amin’ny zavatra rehetra, amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny falalana, amin’ny fahazotona rehetra, ary amin’ny fitiavanareo anay. Koa ataovy azo antoka mba hanan-karena amin’izany asa fahasoavana ianareo. [NY ULB sy ny UDB, miaraka amin’ireo dikan-teny maro hafa, dia mivaky toy izao: “Ao amin’ny fitiavanao anay.” Ny dikan-teny hafa dia mivaky toy izao: “Ary ao amin’ny fitavanay anareo”]

8Tsy miteny izany toy ny didy aho. Fa kosa, miteny izany aho amin’ny fitsapana ny fahamarinan’ny fitiavanareo amin’ny fampitahana izany amin’ny zotom-pon’ny olona hafa. 9Satria fantatrareo ny fahasoavan’nyTompontsika Jesosy Kristy. Ka na nanan-karena aza izy, dia lasa mahantra noho ianareo, koa amin’ny alalan’ny fahantrana no mety ahazoanareo harena.

10Amin’izany resaka izany dia hanome toro-hevitra anareo aho izay hanampy anareo. Herintaona lasa izay, dia tsy nanomboka nanao zavatra fotsiny ianareo, fa naniry ny manao izany. 11Ankehitriny vitao izany, toy ny nisian’ny zotom-po sy ny faniriana hanao izany, dia enga anie hanatanterka izany koa ianareo, arak’izay azonareo hatao. 12Satria raha maniry mafy ny hanao izany asa izany ianareo, dia zavatra tsara sy azo ekena izany. Tsy maintsy mifototra amin’izay hananan’ny olona iray izany, fa tsy izay tsy ananany.

13Fa izany asa izany dia tsy mba hanamaivana ny hafa ary hanavesatra anareo. Fa kosa, tokony hisy ny rariny. 14Ny harenareo amin’izao fotoana izao dia hanome izay ilain’izy ireo. Ka izany koa dia mba hanomezan’ny haren’izy ireo izay ilainareo. Ary mba anomezan’izy ireo ny rariny 15Araka izay efa voasaoratra hoe: “ilay iray izay nanana betsaka dia tsy nanana ambiny, ary ilay iray izay nanana ny kely dia tsy nanana ny tsy ampy.

16Fa an’Andriaminatra ny fisaorana, izay nametraka ny tao am-pon’i Titosy ny fahamatorana izay ananako aminareo. 17Fa izy tsy nanaiky fotsiny ny antsontsika, fa tena matotra ny amin’izany ihany koa. Nanatona anao tamin’ny sitrapony manokana izy.

18Nalefanay izy niaraka tamin’ilay rahalahy izay noderaina teo anivon’ny fiangonana rehetra noho ny asany izay mitory ny filazantsara. 19Tsy izany ihany, fa izy ihany koa dia notendren’ireo fiangonana mba handeha hiaraka aminay hitondra izao asan’ny fahalalan-tanana izao. Izany dia ho an’ny voninahitr’izy Tompo ary ho an’ny fanirianay hanampy.

20Mitandrina izahay ny amin’ny mety hisian’ny olona mitaraina mombanay mahakasika an’io asa fahalala-tanana izay hataonay io. 21Ka mila mitandrina izahay mba hanao ny mendrika, fa tsy eo anatrehan’ny Tompo irery ihany, fa eo alohan’ny olona koa.

22Mandefa rahalahy iray hafa ihany koa izahay miaraka amin’izy ireo. Matetika izahay no nitsapa azy, ary nahita azy mafana fo tamin’ny asa maro. Mazoto kokoa izy izao ankehitriny noho ilay fahatokisana lehibe izay ananany aminareo. 23Raha ny amin’i Titosy, izy no namako sy mpiara-miasa amiko ho anareo. Raha ny amin’ny rahalahinay, dia nalefan’ireo fiangonana izy ireo. Voninahitra ho an’i Kristy izy ireo. Koa asehoy azy ireo ny fitiavanareo, ary asehoy amin’ny fiangonana ny anton’ny fireharehanay momba anareo.

24

Copyright information for PltULB